Webradio

KAOMININA TSIROANOMANDIDY : Miroso amin’ny fanitarana tanàna vaovao

Tahaka ireo tanàn-dehibe sy renivohi-paritra maro manerana ny Nosy dia tsy diso anjara amin’ny fanajariana ny tanàna sy ny asa fampandrosoana ihany koa i Tsiroanomandidy, renivohitry ny Faritra Bongolava.  27 décembre 2022

Miroso amin’ny fanatsarana sy ny fanitarana ny tanàna ny mpitantana ao an-toerana, ankehitriny.

Mihamaro ny mponina ao Tsiroanomandidy raha ny tatitra nataon’ny ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana, Mananjara Jaona Razafindredohy. Amin’ny ankapobeny, hoy ireo mpahay tantara, dia saika mpiavy avokoa ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ity Distrika ity. Tsy misy ny tena zanatany fa mpiavy noho ny asa fivelomana toy ny fambolena ny varotra, ny fandraharahana amin’ny omby sy ny fanefena vy sy volamena no tena niavian’ny ankamaroan’ireo mponina ao. Ireto farany no nanorom-ponenana tao taty aoriana ary anisan’ireo tanàn-dehibe ahitana fifangaroan’ny foko marobe i Tsiroanomandidy anisan’izany ny Antandroy, Merina, Betsileo, Bara sy Sakalava izay saika hita ao an-toerana avokoa. Mampiavaka azy ny fananany tsenan’omby goavana indrindra eto Madagasikara sy ny fahamaroan’ny tanora satria voalaza fa tena miroborobo fatratra ireo lisea tsy miankina noho ny fahamaroan’ireo tanora mandranto fianarana amin’ny ambaratonga fahatelo. 

Tsy ny tanora ihany no mihamaro fa ny mponina amin’ny ankapobeny mihitsy ka nampitsiry ny hevitra teo anivon’ireo mpitantana amin’ny hanitarana ny tanàna. Ankoatra izay ny fanatsarana tanteraka ny endriky ny tanàna mba hanana fiovana vaovao izay mifandraika amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina manoloana ny asa fanajariana hatao amina tanàn-dehibe maro manerana ny Nosy.

Ovaina endrika ny tanàna

Manana tanjona ny ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy, Mananjara Jaona Razafindredohy amin’ny fanatsarana ny endriky ny tanàna. Nambarany fa nisy ny fangatahana fiaraha-miasa izay natao tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao. Ny hanomezana endrika vaovao ny tanàna no tena tanjona izay taratry ny fampandrosoana sy ny fivoaran’ny tanàna ihany koa. «  Nisy fotoana aho nangataka fiaraha-miasa tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna ny vaovao ny mba hanajariana amin’ny endriny vaovao ny tanànan’i Tsiroanomandidy ary tamin’ny herintaona tahaka izao izy no nanao fitsidihana taty Tsiroanomandidy. Amin’izao fotoana izao dia misy ny tetikasa izay niraisana sy nomen-dry zareo tao anatin’ilay fangatahana dia ny mba hahafahan’ny tanàna manana «  Avenue  », hoy ny fanazavana avy amin’ingahy ben’ny tanàna. Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panajariana io ihany koa ny ala madiro izay anisan’ireo toerana mampalaza an’i Tsiroanomandidy. Araka ny fanazavana hatrany dia tsy dia misy loatra ny fananganana fotodrafitrasa vaovao na nanorenana vaovao ao anatin’ity tetikasa fanovana endrika ny tanàna ity fa ireo toerana efa nananan’ny Kaominina ihany no nasiam-panamboarana. “Misy toerana iray izay efa nohajarian’ny Kaominina taloha ihany no hatsaraina amin’ny endriny vaovao tena hafa mihitsy  » , hoy ny ben’ny tanàna nanampy. 

Fanorenana tanàna vaovao

Ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanàna dia hirosoan’ny Kaominina ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanorenana tanàna vaovao. Fiaraha-miasa amin’ny fanjakana foibe amin’ny alalan’ny minisitera misahana izany. Tsy maharaka ny fitombon’ny mponina intsony ny haben’ny tanànan’i Tsiroamandidy, indrindra eo amin’ny trano fonenana. Tokony hanana tetikasa ho amin’ny fanitarana ny tanàna ihany koa ny mpitantanana tanàna, hoy izy, satria hita fa efa tsy maharaka ny fitombon’ny mponina intsony ny fotodrafitrasa misy amin’izao fotoana izao. “Na izany na tsy izany dia efa nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin-dry zareo taloha, amin’ny fametrahana ilay antsoina hoe «  nouvelle ville  » na tanàna vaovao, izy io efa an-dalana manao an’ilay izy satria raha ny zava-misy dia ny Kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy no anisany renivohi-paritra ka ataoko indrindra fa tokony ho  tetikasan’ny mpitantana indrindra fa ny ben’ny tanàna ny fanaovana fanitarana ny tanàna satria tery ny tanàna miohatra amin’ny mponina izay mihazakazaka be ny fitombony”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny tanàna.  Manoloana izany indrindra no hisian’ny tetikasa “nouvelle ville” amin’ny alalan’ny fanomezana tany ho an’olona te hisitraka fananganana trano.

Fanomezana tany

Ao anatin’izay fanorenana tanàna vaovao izay dia drafitra napetraky ny mpitantana eo anivon’ny Kaominina izay tarihin’ny ben’ny tanàna ny fanomezana tany ho an’ireo olona te hanangana trano. “Ilay fanitarana ny tanàna dia nisy velaran-tany iray nanaovana  «  lotissements  »  ahafahan’ny olona misitraka ilay toerana satria raha tany midadasika be iray ao anaty titra iray  an’olon-tokana dia tsy afaka ny hanaovana fotodrafitrasa hoe manaraka ilay fenitra hotakiana, dia nanaovana fifanarahana mihitsy ireo olona izay manana titra ngezabe mba hanaovana  «  lotissements  » ilay toerana mba hahafahan’ny tsirairay misitraka tany amin’ilay fanitarana ny tanàna”, hoy hatrany ny ben’ny tanàna nanazava. Hatreto dia efa mananika ny 70% ny fandraisan’anjaran’ny olona amin’ity fisitrahana ny tany ary  hatreto dia mbola mitohy io fampisitrahana io. “Na izany na tsy izany dia misy ny fepetra takiana mba tena hanaraka ny fepetra takiana ilay fanorenana hataon’ny olona tsirairay rehefa avy eo”, hoy hatrany ny fanazavana. Any amin’ny 2 km miala ny tanàna mihazo ny lalana mankany Maintirano iny no hanatanterahana ity tetikasa ity. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés