Webradio

VONDRON’OLONA MIARO NY FITONDRANA-VMF : " Mendrika hotohizana ny asa vita "

Efatra taona katroka, amin’ny 19 janoary 2023 izao ny fianianana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, teny Mahamasina amin’ny maha-Filoha voafidim-bahoaka azy. 9 janvier 2023

Fanamby goavana no vita tao anatin’izay efatra taona izay ka mendrika hotoloran-tanana hatrany ny Fitondrana ankehitriny, araka ny voalazan’ny VMF na ny Vondron’olona Miaro ny Fitondrana. Nanterin’ny VMF fa hijoro hatrany izy ireo ary hampiseho fa maro lavitra noho ireo olom-bitsy mitonona ho mpanohitra ireo mpanohana ny Fitondrana. "Raha misy ny manohitra dia misy koa ny mpanohana".

Nasongadin’ny filoha mpitarika ny Vondron’olona miaro ny Fitondrana (VMF), Rantenaina Falson Jocelyn fa isan’ireo Filoham-pirenena nahavita be teto Madagasikara ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Nametraka fanamby izy fa hanatratra ireo fahataran’ny fampandrosoana tao anatin’ny 60 taona nahazoana ny fahaleovantena izay. Vitany io fanamby io, raha ny voalazan’ny VMF saingy ny fotoana hanatanterahana azy no fohy. Tsy ampy hivalamparana hanatanterahana asa goavana ny dimy taona. Raha tiana, araka izany, ny hametraka fampandrosoana haingana dia tsy azo ialana ny fanatanterahana ny fanamby ka angatahin’ny vahoaka malagasy ny mbola hanohizana ireo asa efa natomboka. Tsy kabary ambony vavahady fotsiny fa "Velirano" manana ny maha izy azy amin’ny kolontsaina malagasy. "Nisongadina tao anatin’ireny kabary nataon’ny Filoha nandritra ny fiarahabana nahatratra ny taona vaovao ireny fa te-hiasa mafy izy ary vonona hanatratra ireo tanjona napetrany. Efa saika voakasika avokoa ireo fanamby nampanantenaina fa ny asa tsy vitan’ny iray andro. Raha ny zava-misy no atao bango tokana dia nahavita izay tsy vitan’ny Mpitondra rehetra nifandimby ny Filoha Rajoelina. Izay nampanantenainy dia notanterahiny na betsaka aza ny nanenjika sy nandrabiraby. Fanamby goavana no vita tao anatin’ny efatra taona. Mendrika hotohizana ny asa", hoy ny fanazavana. 

Manerana ny Nosy

Nampiavaka ny fomba fiasan’ny Filoha ankehitriny koa ny fitsinjovany ny vahoaka manontolo. Tsy nisy Faritra na toerana hadino fa nametrahana fotodrafitrasa avokoa manerana ny Nosy. "Ny ahy dia fanontaniana no apetrako, aiza moa no misy Faritra na toerana tsy nananganana fotodrafitrasa eto Madagasikara ? Taloha dia izay toerana misy orinasan’ny Mpitondra ihany no nanamboarana lalana sy nametrahana fotodrafitrasa tahaka ny sekoly, hopitaly, Fitsarana manakaiky vahoaka sy ireo maro hafa. Tsy izany no nataon’ity Fitondrana ity fa izay avy amin’ny vavan’ny vahoaka no notanterahiny. Izay hetahetan’ ny maro an’isa no natao. Hatrany amin’ny toerana nosokajiana ho lavitra andriana hatramin’izay aza nahazo EPP manara-penitra, nisitraka hopitaly raitra. Tsy nisy tao anatin’ny 60 taona tokoa izany ary tena fanamby sy velirano", hoy hatrany ny avy amin’ny antoko VMF. 

Olana mafy indrindra

Isan’ireo Ftondrana nisedra olana mafy indrindra ny Fitondrana mijoro ankehitriny. Vantany vao nahavita fianianana ny Filoha Rajoelina ny 19 janoary 2019, dia efa nananontanona tany Wuhan - Chine ny valanaretina coronavirus. Fotoana vitsy monja taorian’izay, ny taona 2020 dia efa niparitaka maneran-tany ny valanaretina. Tranga 27, raha tsiahivina no niseho tany Wuhan ny 31 Desambra 2019 saingy andro vitsy monja taorian’io dia efa nahitana tranga tany amin’ny Firenen-kafa. Na isan’ireo nitandrina fatratra aza, nizaka ny vokatr’izany tahaka ireo Firenen-kafa i Madagasikara. "Iza moa no nanampo fa isika izao no ho isan’ireo Firenena sangany nahafehy io valanaretina nampiaiky izao tontolo izao io ? Teto Madagasikara no azo lazaina fa ambany indrindra ny tahan’ny olona voa sy namoy ny ainy. Ny fahaiza-mitantana nasehon’ny Mpitondra avokoa no nahatonga izany ka rariny loatra raha mijoro sy saro-piaro amin’izao Fitondrana izao ny Vondron’olona Miaro ny Fitondrana. Efa nandalo teto amintsika ny valanaretina pesta, nisy Filoha maro tsy nahay nifehy izany teto. Nandripaka teto koa ny kolera sy ny karazan’aretina maro fa iny covid-19 iny no mafy indrindra ary mbola marobe aza izao ny Firenen-dehibe mitondra faisana. Tokony hisaotra ny Mpitondra isika fa raha Filoha hafa no nitantana teo asa izay nitranga", hoy hatrany ny VMF. Ankoatra ny covid-19, naverin’ity antoko ity nampahatsiahivina fa isan’ireo olana nosedraina teto ny tondra-drano sy ny rivodoza izay naharavana fotodrafitrasa tsy hita pesimpesenina. "Angamba tsy hitanisa ny andro lasa isika fa iny niaraha-nahita iny ny fiarahana nihosona tamin’ny vahoaka malagasy sy ireo tra-boina nataon’ny Filoha. Tsy mbola nisy izany Filoham-pirenena nahasahy nitaingina angidimby niaraka tamin’ny mpamonjy voina nikaroka ireo traboina izany. Fanamby goavana iny ary porofo fa tena maherifo raha i Andry Rajoelina. Sahy, vonona ary tena nanolo-tena ho an’ny tanindrazana", hoy ny fampahatsiahivana. 

Tetikasa maro tsy maintsy hotanterahina

Isan’ireo nohamafisin’ny Filoha nandritra ny lahateniny ny fiandohan’ny taona teo fa betsaka ireo tetikasa goavana tsy maintsy hatomboka amin’ity taona 2023 ity. Lehibe indrindra amin’ireo ny fanamboaran-dalana. Ny lalana izay lalandran’ny fampandrosoana ary mamaha olana maro. Efa tsy nofy intsony ankehitriny ny hisian’ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara. Napetraka tany Talatan’i Volonondry ny faha-3 desambra 2022 lasa teo ny vatofototra mariky ny fanombohan’ny asa. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena "Madagasikara atao maoderina" io ary hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. "Io tetikasa io sy ireo maro hafa no tsy maintsy nirosoana satria mihoatra ny 1200 isan’andro ny fiara mifamezivezy mihazo an’i Toamasina sy Antananarivo, indrindra ireo fitaterana entana avy any Toamasina izay efa mihoatra ny vesatra araka ny tokony ho izy ka mahatonga ny lalana ho potika isan-taona. Ho vita ora roa mahery Antananarivo Toamasina raha vita io, raha ora 10 no hanaovana izany ankehitriny. Asa sy lova sarobidy ho an’ny taranaka avokoa izany", hoy hatrany Rantenaina Falson Jocelyn. Tsiahivina fa hiainga eo Ankorondrano, hihazo an’i Tsarasaotra- Sabotsy Namehana- Ambohimanga Rova-Talatan’i Volonondry-Anjozorobe ary hivoaka any Andaingo hihaona amin’ny lalam-pirenena faha-44 ary hipaka any Toamasina ny lalambe migodana. 

Ampy izay ny fifaminganana

Ankoatra ireo, natsidiky ny VMF sahady fa ho taona manan-tantara ity taona 2023 ity satria hiatrika fifidianana sy haneho ny safidiny indray ny vahoaka malagasy. Tsy mbola misy aloha hatreto ny tetiandro ofisialy navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana saingy raha atao ny kajy tsotsotra dia amin’ity no tokony hotanterahina ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Filoham-pirenena ary manaraka azy ny fifidianana Solombavambahoaka. "Ho taona manan-tantara ny taona 2023 ka iantsoana ny fahendren’ny rehetra sahady. Ampy izay ny fifaminganana lava sy ny politika hitadiavan-tseza. Politikam-pampandrosoana no andrasan’ny vahoaka ary efa fantany ny olona mahavita izany. Ho anay manokana sitrakay raha ho isan’ireo mpifaninana ny Filoha Rajoelina. Angatahinay hatrany ny hirotsahany rehefa tonga ny fotoana", hoy ihany ny fanambaràna.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés