Webradio

ANTOKO AREMA : « Tsy mila korontana intsony ny firenena amin’ity taom-pifidianana 2023  »

Fitoniana sy filaminana hirosoana mankany any amin’ny fifidianana eken’ny rehetra no ilain’ny firenena amin’ity taona 2023 izay taom-pifidianana ity.  9 janvier 2023

“Tsy mila korontana intsony ny firenena sy ny vahoaka Malagasy”, hoy ny teo anivon’ny Antoko Arema.

Nikiry mafy ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena ireo antoko mpanohitra ny faraparan’ny taona lasa teo iny. Tanteraka ihany izany saingy azo lazaina ho nanao antso an’efitra ihany ireo nikasa hitarika izany satria tsy nisy tonga na ny teo anivon’ny fiangonana, ny Fitondrana na hatramin’ireo vondrona milaza ho mpanohitra aza. Tsy mitsahatra mivohy mafy ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny hisian’ny dinika io anefa ireo mpanohitra sy mpanao politika sasantsany indrindra mialohan’ny hiatrehana ny fifidianana, hoy izy ireo.

Nitondra ny fanehoan-keviny ny Antoko Arema tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, ny Profesora Ange Andrianarisoa. Nambarany fa tokony hisy tanjona mazava ny fanatanterahana izay fikaonan-doham-pirenena izay. Tanjona hitondra filaminana sy soa ho an’ny firenena fa tsy hitadiavan-tseza na ho entina hanakorontanana eto amin’ny firenena. 

“Izahay tsy miombon-kevitra mihitsy raha hoe hanongam-panjakana satria ny fanonganam-panjakana tsy ilain’ny vahoaka izany. Tsy ilain’ny vahoaka ny hoe mikorontana ny firenena, tsy ilain’ny vahoaka ny hoe misy ady hataona vondron’olona. Ny tadiavina ny hisian’ny filaminana, hisy tanjona iray hampilamina an’ity tany sy firenena ity. Tokony hisy tanjona mazava tsara rehefa hanao izany fihaonana izany. Ny tanjona tadiavinay dia ny hisian’ny fiarahana sy izay ahasoa ny firenena”, hoy izy. Ny antoko Arema izay manana ny firehany manokana, tsy manohana ny Fitondrana kanefa tsy naman’ireo mpanohitra ihany koa anefa. Naneho ny fahavononany amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny Antoko Arema ary nilaza fa hanana kandidà hisolotena ny antoko amin’io fifidianana io. Nanamafy izy ireo fa ilaina hatrany ny fisian’ny fanaraha-maso amin’ny fanovana sy ny fikirakirana rehetra hatao mahakasika ny lisi-pifidianana.

Avotra Isaorana 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés