Webradio

RAVALOMANANA Marc : Tsy mbola miala amin’ny fomba ratsy fanaony eto amin’ny firenena

Ny zoky amintsika Malagasy dia nosokajina hoe Raiamandreny. Ary na tsy izay aza, ny olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny Firenena dia nosalorana sahady ho Raiamandreny. 9 janvier 2023

Ary izay indrindra ilay voarakitry ny hiran’i Njakatiana hoe “ zokinay zokinay, ianao fitaratra ho anay…”. Raha ingahy Marc Ravalomanana, filoha teo aloha no jerena dia sady Raiamandreny izy amin’ny taonany, 73 taona no koa Raiamandreny noho ny andraikitra efa notanany teto amin’ny Firenena.

Indrisy anefa, tsy izay no mitranga fa toa fary izy ity ka izy noheverina ho lohany indray no matsatso. Iza moa no tsy mahalala izany Ravalomanana izany, ny 8 Aogositra 2000 teny Imerinkasinina izy no nilaza ny faniriany fa te hitondra fanovana, te hampandroso ka hilatsaka ho Filoham-pirenena. Novoiziny nandritra ny fampielezan-kevitra fa “premier tour dia vita”. Raha ny toe-javatra tamin’ireny anefa, ingahy Ratsiraka izay tafaverina tamin-kery teo amin’ny Fitondrana no mpifanandrina taminy. Olona izay efa nahazo lesona tamin’ny fanonganana nataon’ny vahoaka azy  ; izany hoe, efa nanitsy ny diany, namerina indray ny fitokisan’ny mpamatsy vola ary efa nanomboka niarin-doha indray ny toe-karena. Kanefa dia sahin-dRavalomanana ny nandrangaranga mialoha fa fihodinana voalohany ihany dia ho azony ny fandresena. Akory anefa atao, fa rehefa nandeha tokoa ny fifidianana, 46 % no azony saingy noho ny vavabe efa naeliny dia notereny hanaiky an’ilay hoe “premier tour dia vita” ny mpomba azy sy ny tsy mpomba azy. Tsy ny vahoaka Malagasy ihany fa na ny fianakaviam-be iraisam-pirenena koa aza. Dia mody natomboka tamin’ny fankalazana ny noelim-pandresena ny hetsika kanjo navadika ho fitokonana fandavana voka-pifidianana. Vao tsy ela, tamin’ity taona ity, nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona izy ireo sy ireo mpiray firehana aminy izay tereny hanaiky fa izy no lehibeny. Nandrangaranga izy tamin’io fotoana io fa efa niova. Dia tonga amin’ny fitenin’ny tanora hoe  : «  niova amin’ny ahoana moa  »  ? Niova nanao akory dia niova ho inona sa niova ho iza  ? Satria tamin’io fotoana io ihany izy no nilaza fa tsy hanaiky, tsy hanaiky izay voka-pifidianana eo angamba raha halalinina ny tiany hambara satria fifidianana no resaka ary izany no andrandrain’ny rehetra ho an’ity taona 2023 ity sady efa voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana rahateo ny hoenti-manatanteraka izany. Dia izany ve no miova  ? Sa efa mahazo antoka sahady ny tsy hahombiazany sy ny tsy handreseny ka mandrangaranga sahady fa tsy hanaiky. Izay tokoa ilay Ravalomanana, «  tsy manaiky  ». Moa tsy izany ve ilay Dakar I sy Dakar II.

Mody manaiky… tsy manaiky

Mody manaiky izy any an-toerana fa rehefa tonga eto an-tanindrazana, “tsy manaiky”. Moa tsy izay ve ilay Ravalomanana tamin’ny 2009, notenenina ihany fa eee  ! Nanarina ihany fa eee  ! Tsy ireo niteny azy indray aza no nolazainy hoe “fantaro aloha ny herinareo”, “izay maire iray amin’ny 1500 io”. Izay ilay Ravalomanana, “tsy manaiky”. Tsy mbola niova Ravalomanana e ! Izay no mahalaza azy. Didiko izaho prôma ny nahafantarana izany Ravalomanana izany, izy tsy nahalala afa-tsy ny tenany, mpanao ampihimamba, mpanao an-tanan-tokana. Tsy tafapotra ireo izay mba nikasa hipotra. Voafafa, voasakana, alentika izay miseho ho mpifaninana aminy, dia any amin’ireo seha-pihariana nirotsahany, toy ny orinasa fanodinana ny vokatry ny tany (agroalimentaire), ny fanaovan-dalana (Alma), ny fitaterana anabakabaka (Tiko Air), ny fanaovana fanaka tamin’ny hazo sarobidy, ny fanafarana entana avy any ivelany namidy tamin’ny alalan’ny Magro izay nampaniriana ohatra ny anana tetsy sy teroa. Ny isan-tokantrano no nampanantenaina hanana fiara 4L kanjo ny Magro no nitsimoka sy naniry tetsy sy teroa ary naha henika ny Faritra rehetra teto Madagasikara. Izany fomba ratsy nahafantarana an-dRavalo izany ihany no mbola ataon-dRavalo ka nahoana izy no hanao lela mamy sy handrangaranga ankehitriny fa efa niova. Heveriny fa tongatonga ho azy ve ireny fihetseham-bahoaka, niaritra ny vonomoka nataony teny Ambohitsorohitra tamin’ny 2009 ireny  ? Efa tao anatin’ny famoizam-po tokoa ny vahoaka ka nahavita nanao vy very ny ainy nitaky ny fialany tamin’ireny. Tsy ny olona efa namono an-tena tahaka izany ka nahavita namono tokoa no andeha hisolelahana indray ankehitriny satria manao lela mamy hoe niova. Mbola ilay Ravalomanana mandidy manapaka, mandidy dia homana iny niseho masoandro teny Faravaohitra tamin’ny alatsinainy iny.

Mandrahona hampidina olona eny Analakely

Fa ny tena nanampy trotraka ny tsy mampiova azy dia izy amin’izao taonany, 73 izao no mandrahona indray ny fampidinana olona eny Analakely raha ilaina, heveriny fa mbola vahoakan’ny 2001, azo arebireby sy ampanantenaina abobo angamba ity vahoakan’ny 2023 ity. Ny taona no niova fa tsy niova Ravalomanana, ny taonany no nihamavesatra fa ny fahendreny nihamaivana. Farany, tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tamin’ny andron-dRavalomanana ange no nanendreny ho Minisitry ny Foloalindahy renim-pianakaviana tsy Miaramila akory e ! Dia ankehitriny ve ingahy Ravalomanana indray no hanome lesona ny Tafika na ny foloalindahy kanefa izy no nanao tsinontsinona azy ireo voalohany. Tsy nipetraka tamin’ny maha-Filoha faratampon’ny foloalindahy azy izy, raha tsy izany ve hahasahy nanafatra Miaramilan’ny Sadc hibaiko sy hanome lesona ny Miaramila malagasy. Tsy mbola niova Ravalomanana. Io efa manefy ny sain’ny mpomba azy sy ny vahoaka io sahady izy fa tsy hanaiky. Efa azony antoka fa tsy handresy izy ary izay tokoa no marina, fa Rajoelina Andry Nirina izay tsy resiny, 15 taona lasa raha nilatsaka ho Ben’ny tanàna no mbola ho mpifanandrina aminy amin’izao 2023 izao. Tamin’izany aza, olona tsy fantatra ara-politika tsy resiny, mainka fa ankehitriny, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy amin’ireo zava-bitany, izany indray ve no ho resiny  ? Efa tsapany ny heriny ary fantany fa tsy hahovoka izy ka dia aleony sahady manefy ny sain’ny mpomba azy tsy hanaiky. Tsy mbola miova Ravalomanana.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés