Webradio

POLITIKA

KRIZY ARA-TOE-KARENA : Hararaotin’ny mpanohitra handemena saim-bahoaka

Maneran-tany no hiatrika krizy ara-toekarena mivaivay amin’ity taona ity, raha ny tombana nataon’ny Tahirim-bola iraisaim-pirenena. 24 janvier 2023

Tahaka ireo Firenen-dehibe maro hisedra izany dia anisan’ireo tsy ho afa-bela ihany koa i Madagasikara.

Ny faramparan’ny taona 2022 nivalona iny no efa niatrika ny fidangan’ny vidim-piainana ny Firenena maro maneran-tany. Betsaka ny antony nahatonga izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fisian’ny valanaretina nentin’ny “Coronavirus” sy ny vokatry ny ady teo amin’i Rosia sy Okraina fotsiny. Raha ho an’ireo Firenena ao Eoropa fotsiny, ohatra, dia efa nananika hatrany amin’ny 3% ny fiakaran’ny vidim-piainana. Anisan’ireo sehatra voakasik’io ny lafiny famatsiana angovo.

Vao mainka hihamafy io krizy ara-toekarena io amin’ity taona 2023 ity, raha ny tombana nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Ho an’ireo mpahay toe-karena dia nilaza fa tsy hijanona ho krizy ara-toekarena fotsiny izany raha ho antsika eto Madagasikara fa tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny lafiny ara-tsôsialin’ny mponina ihany koa. Ity tranga farany izay hararaotin’ny mpanohitra ampifangaroana amin’ny raharaha politika sy ny fitantanana ny Firenena. Soketain’izy ireo ho tsy fahaiza-mitantan’ny Mpitondra no mahatonga ny Firenena latsaka an-katerena tahaka izao. “Tsy mahay mijery izay laharam-pahamehana sy maharary ny vahoaka ny Mpitondra ka izany no mahatonga ny Firenena miaina anaty krizy lalina tahaka izao”, hoy ireo mpanohitra bontolo izay tsy manaiky ny hahita fa maneran-tany no miaina krizy mafy amin’izao fotoana izao. 

Manao kilalao ny fiainam-pirenena

Taom-pifidianana ity taona 2023 ity, izany hoe kihon-dalana lehibe ho an’ny tantaram-pirenena satria hifidy izay ho filohany indray ny olom-pirenena malagasy. Fitoniana sy filaminana no ilaina hiatrehana izany fa tsy korontana. Ireo antoko mpanohitra izay manambana hatrany ny hisian’ny fanakorontanana eto amin’ny Firenena, indrindra amin’ny filazan’izy ireo fa tsy marina ny rafitra mahaleo tena sy ny andrim-panjakana izay natao hikarakara io fifidianana io. Hentitra ny Depioten’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa raha nilaza fa tsy tokony hatao kilalao intsony ny fiainam-pirenena. “Miantso an’ireo mpanao politika aho mba tsy hanao kilalao ny fiainam-pirenena fa eritreretintsika raha sanatria miditra anatina krizy politika ny Firenentsika dia ho tahaka ny ahoana ny fomba hiainantsika an’izany indray. Krizy politika izay mitarika krizy ara-toekarena, hitarika krizy ara-tsôsialy hampitombo isa ny mahantra ary hahakizo fara ny taranaka rehetra any aoriana », hoy izy. 

Tsy misy hahazo tombontsoa

Nilaza ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc fa fotoana hakany ny fahefana izao, saingy fakana fahefana tokony hifototra amin’ny fanarahan-dalàna dia ny fiandrasana ny fifidianana fa tsy fikatsahana hamboly korontana ka hitarika olona hidina an-dalambe. Raha nihaona tamin’ireo vehivavy Tim ny tenany vao tsy ela akory izay dia nilaza fa maika ny fanarenana ny Firenena ary vonona hitarika sy hanarina izany ny tenany. Fanambaràna izay miendrika hamehana mafy handray fahefana. Nohamafisin’ny Solombavambahoakan’i Miarinarivo hatrany fa tsy hisy olona hahazo tombontsoa amin’ny fitarihana korontana izany. « Tsy misy manana tombontsoa, afa-tsy hoe angaha ireo mpanao politika tsy manana seza sy ireo mpanao politika te hitaingin-tseza amin’izao fotsiny vokatry ny fikorontanana. Tsy misy manana tombontsoa amin’izany na ny Firenena na ny vahoaka na ireo taranaka mifandimby hitantana an’ity Firenentsika ity”, hoy ny nambarany. 

“Aoka izay ny fanakorontanana saim-bahoaka”

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra sy fahavaratra tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Vanim-potoana izay tsy afa-misaraka amin’ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena sy ireo ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Mifandraika ary tsy afaka hialana ihany koa fanampin’izany ny krizy maneran-tany noho ireo zava-nitranga maro isan-karazany. « Ho mafy ny toe-draharaha politika, ny lafiny ara-toekarena sy ny ara-bola izay ho mafy kokoa noho ny tamin’ny taona 2022 ary tsy eto Madagasikara ihany fa manerana an’i Afrika hatrany ampitan-dranomasina any », hoy ny mpamakafaka ny fiainam-pirenena iray, raha nanamafy ny voalazan’ny teo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Izay nampiany ihany koa fa ho avo roa heny noho izay krizy efa niainana tamin’ny taona lasa iny no hiainana amin’ity taona vaovao ity. Midika izany fa tsy eto Madagasikara ihany no miaina anaty krizy fa maneran-tany. Noho izany, hoy izy, dia tsy tokony hokorontanina amin’ny fiakaran’ny vidin’entana ny sain’ny vahoaka. Tsy tokony holotoina ny sainy fa noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny Mpitondra no mahatonga ny fidangan’ny vidim-piainana fa zava-misy iainana maneran-tany.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés