Webradio

TOAMASINA : Faty telo tao anatin’ny andro iray vao niditra ny taona vaovao 2023

Fa inona loatra no mahazo an’i Toamasina ? Fanontaniana am-bavan’ny olona maro ao Toamasina nanomboka niditra ny taona vaovao 2023. 24 janvier 2023

Nisesisesy ny olona maty an-drano sy olona hita faty, izay maty nisy namono. Vao andro vitsy lasa izay, dia olona roa sahady no maty natelin’ny rano. Ny iray tao Ambalamanasy carreau 1 ny alatsinainy 2 janoary, dia ilay tovolahy kely 12 taona antsoina hoe Jery Fabrio izay natelin’ny rano antsoina hoe Ranomainty rehefa nihaza vorona. Ny talata 3 janoary vao hita ny razana. 

Ny andron’ny talata 3 janoary, lehilahy antsoina hoe Ramanantsoa Jimmy 25 taona no maty natelin’ny ranomasina teo amin’ny faritra Darafify Toamasina hatrany. Izy izay nandro. Ny alarobia 4 janoary vao hita ny razana. Nitohy hatrany ny loza an-drano ao Toamasina. Ny sabotsy 7 janoary, tokony  ho tamin’ny 2 ora tolakandro, tovovavy antsoina hoe Jessica 13 taona no maty an-drano tao amin’ny Pont Mainty Tanandava rehefa nikasa ny hisasa tao amin’ilay rano. Ny andron’ny sabotsy 7 janoary io tamin’ny 7 ora hariva no hita ny razana. 

Ny alahady 8 janoary, hatairana ny an’ireo mpandalo teo amin’ny Pont Mainty fa nahitana fatina vehivavy maty an-drano indray izay nifatotra. Novonoina sy natsipy tany anaty rano izy io. 

Ny tapany maraina ny andron’ny alahady 8 janoary io ihany, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tao Ambalamanasy carreau 1, nisy ankizy nilalao nahita tongotr’olona nilevina tamin’ny tany. Niantso ny manodidina avy hatrany ireo zaza. Hatairana ny an’ny mponina teny an-toerana fa fatim-behivavy ilay nilevina. Tsy lalina ny lavaka ka nivoaka ny rantsam-batana rehefa tratry ny rotsak’orana. Razana izay efa tsy nisy nahalalana azy intsony. Efa potika ny tarehy. Nisy postiche mena ny lohany ka iny no nahalalana azy.

Araka ny fizahana nataon’ny dokotera, dia tombanana efa ho herinandro teo ho eo no namonoana an’ilay vehivavy. Tsy nisy taratasy nahafantarana ny mombamomba azy. Efa nalefa any amin’ny tranom-paty Hopitaly Be ny razana. Faty fahatelo hita tao Toamasina ny alahady 8 janoary, dia teo amin’ny tetezana Hopitaly Be. Lehilahy sahabo ho 30 taona no hita faty teo amin’ny vinany. Raha ny tombana, dia natelin’ny ranomasina, ka izao nafefiky ny ranomasina tao amin’ny ranomamy ambany tetezana izao. Efa naratra ny lohany. Tsy nahitana taratasy mombamomba azy ary efa naterina ao amin’ny tranom-paty hopitaly Be ihany koa ny razana. Raha atao ny tontaly, dia miisa telo arak’izany ny razana hita tao Toamasina ny andron’ny 8 janoary ka ny roa dia vono olona. Tranga izay miteraka horohoro ho an’mponina eto Toamasina.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés