Webradio

VONO OLONA TAO AMBALAMANASY : Ny sipany ihany no voalaza ho tompon’antoka

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ao Toamasina ny mahakasika ilay tranga vono olona tao Ambalamanasy carreau 1. 24 janvier 2023

Raha tsiahivina, dia tovovavy sahabo ho 25 taona no hita nilevina teo amin’ny sisin-tokotanin’olona tao Ambalamanasy, ny andron’ny alahady 8 janoary lasa teo. Razana efa simba no hitan’ny zaza nilalao teny amin’ilay faritra. Tsy nisy nahafantarana azy intsony afa-tsy ny postiche teny amin’ny lohany izay miloko mena. Ny andron’ny alahady 8 janoary io ihany, dia efa voamarin’ny havany teny amin’ny tranom-paty hopitaly be ny razana.

Ny sipany no ahiahian’ny fianakaviana ho namono nahafaty

Raha ny angom-baovao izay azo, dia nametraka ahiahy tamin’ny olon-tiany ny fianakaviana. Fantatra mantsy fa efa tia midaroka azy matetika ilay lehilahy. Raha ny fitantaran’ny olona akaiky ny fianakaviana, dia ny zoma 6 janoary no nanomboka tsy nahitan’ny havany intsony ilay tovovavy ka izao hita faty ny andron’ny alahady 8 janoary izao. Tsy hita popoka izay nanjavon’ilay lehilahy sipany taorian’izay. Raha ny angom-baovao hatrany, dia efa nosakanan’ny fianakaviana tsy hiaraka amin’ilay lehilahy intsony ilay tovovavy saingy tsy tana fa mbola mangala-dia mihaona aminy ihany.
Ny alatsinainy 9 janoary, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina no voasambotry ny quartier mobile tao Vohitsoa Belambo, fokontany Ambalamanasy, kaominina Toamasina Faharoa iny ilay sipany izay voalaza fa nahavanon-doza. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro, filaminana ny tovolahy. Mbola tsy nisy nipika kosa ny antony namonoana an’ity tovovavy sipany ity. Ny alatsinainy 9 janoary no nentina any Ambodiriana Toamasina II ny vata mangatsikan’ilay tovovavy.

Mahakasika ilay faty olona hita tao amin’ny Pont Mainty kosa, dia nanambara ny fianakavian’ny maty fa hetraketraky ny mpiara-belona no nahafaty ny havan’izy ireo. Tsy salama saina ilay tovovavy izay hita faty tao anaty rano. Ny sabotsy hariva, hamonjy fodiana nitondra kofafa avy novidiny ilay tovovavy ka notondroin’ny olona teny fa mpamosavy noho izy mitondra kofafa amin’ny andro hariva ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Tsy afaka niaro tena rahateo izy noho ny tsy fahasalamany ara-tsaina.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés