Mirongatra ny fanafihana tokantrano. Isan’andro ireo mponina no tonga mitaraina eny amin’ny biraon’ny Polisy manoloana ny tranga mahazo azy ireo.
Raha ny loharanom-baovao voaray avy eo anivon’ny Polisim-pirenena any an-toerana, tamin’ity herinandro ity dia nanomboka ny volana Desambra 2022 no nahazo vahana ny fanafihana mitam-piadiana izay mitohy hatramin’izao. Mangataka ny fandraisan’andraikitra hentitra avy amin’ny mpitondra Fanjakana sy ny mpitandro filaminana noho izany ireo mponina satria lasibatra tsikelikely ny fananan’ izy ireo ary tena misy ny mamoy havana. Vaky trano sy vono olona ary fampihorohoroana no manjaka ao a-toerana.
Eo anatrehan’ny fitarainana voaray dia manambara ihany koa ireo mpitandro filaminana miadidy ny ao amin’ny Faritra fa efa manatanteraka izay tandrify azy izy ireo, amin’ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy. Koa miangavy fiaraha-miasa matotra avy amin’ny fokonolona mba hahazoana vokatra haingana. Araka ny loharanom-baovao azo tamin’ity herinandro ity àry dia fantatra fa jiolahy miiisa enina no voasambotra tao Bevala Amboasary Atsimo, ny alinn’ny alatsinainy hifoha talata 17 janoary 2023 lasa teo iny. Tompon’antoka tamin’ny fandrobana fivarotana lehibe iray tao an-toerana ireo olon-dratsy ireo.
Mpampihorohoro miaraka amin’ny fitaovam-piadiana
Lehilahy miisa 06 no voasambotry ny Polisy miasa ao Amboasary ny 17 janoary 2023 tany Bevala Amboasary noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Ny 17 janoary 2023, tokony ho tamin’ny 12ora sy 05 minitra alina no voalaza fa nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambe, Kaominina Ambonivohitra Amboasary Atsimo. Magazay iray lehibe mpivarotra kojakoja mahakasika bisikileta no notafihan’ireto olon-dratsy ary basy vita gasy no nampiasain’izy ireo tamin’izany ka kojakoja mahakasika ny bisikileta maro no voaroba tao. Vaky nandositra ireto olon-dratsy raha vao vita ny asa ratsiny saingy ireo olona tsy lavitra teo no nampandre avy hatrany ny Polisy ka dia raikitra ny fifanenjehana io alina io ihany. Vokany, tra-tehaka tany amin’ny Fokontany Bevala Galois ireo lehilahy miisa 05 raha tafatsoaka kosa ny lehilahy iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ireto farany nanaovana fanadihadiana ka nanonona ny toerana mety hahitana ilay naman’izy ireo. Voasambotra tany amin’ny fokontany Ankamena araka izany ny naman’izy ireo iray. Hatreto dia mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao. Marihana mantsy fa mitombo isa isan’andro ireo olona lasibatra amin’ny fanafihana ao an-toerana.
Tokony ho hamafisina indray ny fampandrian-tany
Eo anatrehan’ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny tato ho ato dia mangetaheta ireo fokonolona ny amin’ny tokony hanamafisana indray ny fampandrian-tany, fanaparitahana Polisy sy Zandary mivezivezy any amin’ireo Faritra tena ahitana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika. Na efa mametraka ezaka aza ireo mpitandro filaminana, hoy ny mponina, dia mbola hita fa marefo ny sehatry ny fandriam-pahalemana ao an-toerana hatramin’ny taon-dasa iny. Ny fampiasan’ireo andian-jiolahy fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny fahasahiana mandatsaka aina avy hatrany mantsy no tena mampihoron-koditra ireto farany. Raha tsiahivina ny tranga niseho ny volana Novambra 2022, lehilahy iray nonina tao Beteza, Kaominina Fotadrevo Ampanihy Andrefana no voatifitry ny jiolahy tao amin’ny hatony ka maty. Taorin’izay fitifirana izany vao nanao ny asa ratsiny ireo olon-dratsy. Araka izany, manao antso avo ny vahoaka an-toerana ny amin’ny tokony handraisana fanapahan-kevitra hentitra manoloana izao firongatry ny asan-jiolahy izao.
Tatianà R.