Webradio

TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA : Baskety - Ekipa vehivavy 16 sy lehilahy 12 no mandray anjara

Tsy mitsahatra mihitsy ny fisian’ny lalao isan’andro hatramin’ny alarobia 20 ôktôbra fiafaran’ny fifanintsanana. Miala sasatra kely ireo mpilalao ny alakamisy 21 ôktôbra ary mivory amin’ny fanomanana ny dingana famaranana ireo tompon’andraikitra. 18 octobre 2010

Nanomboka ny asabotsy 15 ôktôbra ka tsyhifarana raha tsy ny alahady 24 ôktôbra ao Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara ny fifaninanana basikety fiadiana ny ho tompondaka nasiônaly 2010 hoan’ny sokajy N1A lehilahy sy NDF vehivavy.

Ekipa 16 be izao no mandray anjara amin’ny vehivavy ary 12 kosa ny an’ny sokajy lehilahy. Ny kianjan’Ankatso sy Mahamasina ivelany ary ny Kianja Mitafon’I Mahamasina sy ny Lapan’ny Fanatanjahantena mbola ao Mahamasina ihany no hanatanterahana ny hetsika rehetra.

Tsy mitsahatra mihitsy ny fisian’ny lalao isan’andro hatramin’ny alarobia 20 ôktôbra fiafaran’ny fifanintsanana. Miala sasatra kely ireo mpilalao ny alakamisy 21 ôktôbra ary mivory amin’ny fanomanana ny dingana famaranana ireo tompon’andraikitra.

Ny zoma 22 ôktôbra indray no mitohy ny fifaninanana amin’ny lalao1/4-dalana. Ny asabotsy 23 ôktôbra ny ankatoky ny famaranana rehetra ary ny alahady tolakandro no hanatanterahana ireo lalao famaranana 2 (lahy sy vavy) hialohavan’ireo fiadian-toerana faha-3 hatramin’ny faha-8 ny maraina.

Vehivavy NDF

Poule A : Jea (Analamanga), Cja (Diana), Acb (Boeny), Mega (Atsinanana).
Poule B : Abbc (Atsinanana), Aspc (Diana), Alm (Atsimo Andrefana), Assm (Analamanga).

Poule C : Mb2All (Analamanga), Usjfm (Atsimo Andrefana), Voromahery (Alaotra Mangoro), Bcca (Amoron’Imania).

Poule D : Jcsa (Analamanga), Lazan’i Betsileo (Matsiatra Ambony), Tbc (Analamanga), Bbcm (Analamanga).

Lehilahy N1A

Poule A : Cosfa (Analamanga), Fanatic (Boeny), Bbcm (Analamanga,) Jascc (Atsinanana), Ascum (Boeny), Sporting (Diana).

Poule B : Ascut (Atsinanana), Challenger (Analamanga), Soe (Analamanga), Sebam (Boeny), Asf (Matsiatra Ambony), Bbc (Analamanga).

Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés