Webradio

RAHARAHA LAFARININA : Nataon’ny Bianco famotorana ny mpiasan’ny fadintseranana

Lafarinina 70 kaontenera an’ny société ATM, tonga ny volana aprily 2009 tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, izay tokony ho tany amin’ny fadintseranana Antananimena no nanaovana ny fanokafana azy ireo, ka IM 8 no nanasokajina ireo entana ireo na tsy tokony izany aza no namoahana azy, fa IM 4. 22 novembre 2010

Iry sokajy IM 8 moa dia tsy maintsy misy plomb douanes izay mitondra ny marika 21 TO ny an’ny fadintseranana Toamasina.

Ny zavatra mahagaga ny mpiasan’ny fadintseranana anefa dia : « naninona ireo lafarinina 70 kaonatenera ireo navoaka tamin’ny alalan’ny IM 8, no tsy nasiana ny plomb douanes ? ». « Ny mahagaga ihany koa dia tao amin’ny magasin Shang Ville Anjoma, ireo lafarinina ireo no nampidirina anaty magazay ». « Fantatry ny receveur des douanes teo aloha ny fisian’izany, ary ny tenany mihintsy aza no nanisy plomb douanes ny varavaran’ilay magazay, ary 3 andro taorian’izay, lasa indray ny entana » Nambara moa fa nisy am-pahany ireo lafarinina no efa namidy tamin’izany toerana izany.

Eo am-pelatanan’ny Bianco ny raharaha mahakasika io, izay marihina fa ny lehibe (coordonateur) no nametraka ny fitoriana. Voantso natao famotorana tany amin’ny Bianco ny « agents » rehetra tao am-bavahady tamin’izany ka nolazaina ho namoaka entana tsy ara-dalàna, izay hanana porofo, hoy ireo delegen’ny mpiasan’ny fdintseranana.

Ny zoma 19 novambra 2010, nandeha nanatona ny mpanao famotorana tao amin’ny Bianco, ireo delegen’ny mpiasa telo lahy niaraka tamin’ireo « agents » nanaovana famotorana, nitondra ny porofo rehetra mikasika ny famohana ireo entana lafarinina ireo : Fankatoavana nataon’ny receveur des douanes teo aloha, miotndra ny daty 21 aprily 2009.

Nisy ihany koa ny naoty navoakan’ny DG mitondra ny laharana 463-MFB/SG/DGD/D1 tamin’ny 31/10/08 milaza fa tsy ilaina ny fametrahana ny polmb douanes (Il est aussi à noter que l’apposition du plomb douanes n’est plus exigée). Ny fanontanina napetraky ny Bianco tamin’ireo piasa : « Aiza ny plomb douanes ? »

Gilbert R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés