Webradio

RAZANA : Hotolorana mariboninahitra ny nofo mangatsiakan’i ELIE RAJAONARISON

Araka ny loharanom-baovao dia anio talata amin’ny 02 ora tolokandro no hiala ao Lazaina ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy Elie Rajaonarison, ka hoentina ao amin’ny Efitrano Rado, etsy Ambohijatovo misy ny minisiteran’ny Tanora. 29 novembre 2010

Ny Alarobia, amin’ny 11 ora antoandro kosa dia hoentina eny amin’ny Esplanade, etsy amin’ny oniveristen’Antananarivo ny razana. Amin’io fotoana io no hanolorana azy ny mariboninahitra. Ankoatra izay dia ny alarobia ihany no hoentina any amin’ny fasan-drazany ao Ambohitrakely Avaratra, ao Ambohidrano Atsinanana ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy Elie Rajaonarison. Alohan’izay anefa dia hatao veloma farany ao amin’ny FJKM any Ambohidrano ihany izy mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ;

Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés