Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo mpitondra fiangonana sy ny fikambanana kristiana ho fanolorana ny tanànan’i Toamasina ho tanànan’i Kristy Jesoa izany hetsika fanadiovana goavana eto amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka ity izany. Ny mpino kristiana rehetra eto an-toerana no hiara-hifarimbona hanatontosa izany hetsika izany. Ny fanadiovana ny tanànan’i Toamasina no fandraisana anjara entin’izy ireo hanampiana ny Kaomina renivohitra, araka ny fifanarahana efa natao tamin’ny filohan’ny delegasiona manokana, Rakotovao Mariot, izay vonona ihany koa ho amin’ny fanatanterahana izany asa soa ho an’ny mponina izany.
Nambaran’ireo mpitondra fiangonana sy ny fikambanana kristiana ireo, fa « rariny loatra raha tanàna madio no atolotra an’Andriamanitra, manoloana ny fikasana ny hametrahana azy ho tananan’i Jesoa Kristy.
Gilbert R