Webradio

NAIKA ELIANE : Akaiky ny fandresena hoy izy tao amin’ny “Radio GTT International”.

Navoitrany kosa fa resy lahatra ny firenena any ivelany fa nisy ny fanajana ny zon’olombelona nandritra ny fitondran’i Marc Ravalomanana. 22 février 2010

Ny asabotsy 20 Febroary lasa teo, dia naneho ny heviny tao amin’ny “Radio GTT International” ny senatera teo aloha, Naika Eliane, izay sady mpikambana GTT miara-dia amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Niverina nitondra fanazavana ny fivoriana mahakasika ny zon’olombelona natao tany Genève farany teo ny tenany.

Anisan’ny nandray anjara moa izy amin’ny maha-mpikatroka anatin’ny vondron’ny fiaraha-monim-pirenena azy. Nambarany tamin’izany fa nahafa-po ny dia tany Genève.

Niezaka nandresy lahatra an’ireo firenena mpandray anjara ny delegasionina tarihiny, ny amin’ny tsy fisian’ny fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara, nanomboka ny nitondran’i Andry Rajoelina.

Navoitrany kosa fa resy lahatra ny firenena any ivelany fa nisy ny fanajana ny zon’olombelona nandritra ny fitondran’i Marc Ravalomanana.

16 Martsa 2010

Làlana tsy maintsy hizorana ny fidirana amin’ny satan’i Maputo, mba hiverenan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny fiombonambe iraisam-pirenena.

Tokony efa ela no niroso tamin’io ny firenena Malagasy, fa nangatak’andro lava ka ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany.

“Nogadraina sy novonoina ny tenako, tonga aty ivelany aho tsy nanaiky resy, ary tsy maintsy mandresy, kely sisa”, hoy ny senatera, Naika Eliane, namarana ny teniny tao amin’ny “Radio GTT International”.

KAMY

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés