Webradio

MAITRE RANARY : Nifoha tamin’ny torimasony ka hanohana ny tanora amin’ny fanatanjahantena

12 mars 2010

Anarana efa tsy zoviana amin’ny maro intsony, raha i Maître RANARY. Olona nitondra avo ny anaran’ity faritra ity izy, eny fa na dia ny nosy iray manontolo aza, tamin’ny taranja haiady « boxe olympique ». Taona maromaro anefa, nangina ny lehilahy nohon’ny antony maro. Ankehitriny, taitra tamin’ny torimasony ny lehilahy, ka izao tapa-kevitra ny hiverina amin’ny banja, hanohy izany haiady izany. Nambarany tamin’ny resaka nifanaovana fa : « nohon’ny fandraisan’olona iray tsara sitrapo eto Toamasina, te hanohana ny tanora amin’ny fanatanjahantena no nampihetsika azy indray. Amin’izao mantsy, dia noraisain’ny tompon’ny « Tranombarotra Dadilahy » etsy Mangarivotra ny fanohanana an’anjy, amin’ity haiady izay ataony ity. Maromaroa ny malala-tànana toy izany.

Tsara fifohazana tokoa ny lehilahy

Fandresena miezinezina no azony tamin’ny 28 Febroary lasa teo iny, raha nifanandrina tamin’i Maître Andry, mpanao taranja « Kick-boxing » avy any Fianarantsoa. « Ceinture » iray vaventy no azony tamin’izany. Fantatra izao fa hiadivan’izy roa lahy io « ceinture » io. Raikitra àry izao fa, ny 2 Aprily ho avy izao no hanaovana ny lalao famerenana, eny amin’ny banja malalaka « Staduim barikadimy ». Marihina fa « combat libre » no hatao amin’izany, noho izy roa samy mpanao haiady.

Fantaro ny momba an’anjy

RANARISON Joseph no tena anarany. Goavana tokoa ny lehilahy, izay milanja 90 kg be izao. Ny taona 1988 no nanombohany niditra an-tsehatra tamin’ny haiady, ka ny taranja « boxe Anglaise, na boxe olympique » amin’izao no nanombohany tamin’izany. Tsy tongatonga ho azy anefa io safidy io, fa lova navelan’ireo olom-be taloha takagny, raha tsy hiteny afa-tsy i Dubeur Justin, kalazalahy tamin’itony taranja itony.

Maro ny zava-bitany, na ny « palmares », ka santionany ihany ireto taterina aminao izao :
-Ny 1988 : nahazo medaly volamena tamin’ny « Jeux des jeunes, tany La Réunion »
-Ny 1989 : medaly volamena no azony tamin’ny “Jeux Olympiques”, tany Atlanta.
-Ny 1990 : medaly volamena no azony, tamin’ny lalao iraisam-pirenena tany Tunisie.
-Ny 1997 : medaly volamena, niatrika ny « Jeux de la Francophonie » teto Madagasikara.
-Ny 1998 : Medaly volamena, nandritra ny lalao « Zone 7 », teto Toamasina.
-Ny 1999 : Tompon-dakan’i Madagasikara.
- Ny taona 2000-2002 : Niofana sy nanao mpikaramana an’ ady momba ny haiady « boxe », tany Frantsa. Izao indray, izy niverina amin’ny banja izao. Marihina fa, mpianatr’i Maître RATAVILAHY François ny lehilahy, izay tao amin’ny lapan’ny ankizy mpisava làlana, na ny C.R.J.S amin’izao fotoana. Nambarany tamin’ity fifampiresahana ity, fa azo atao tsara ny mampiaraka ny taranja “boxe” amin’ny moraingy, noho izy heverina ho razamben’ny “boxe”.

Anatra no namaranana ny tafa, ho an’ireo mpanao haiady rehetra : « ny mba hitafiana mandrakariva ny fahamatorana, halavirina ny fireharehana, ary mila malefaka hatrany amin’ny hafa ».

RAVO

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés