Webradio

MANDRITSARA : Notokanan’ ny minisitry ny fanabeazana ny trano fialam-boly ho an’ireo Sojabe any Mandritsara

15 mars 2010

Miezaka manatsara ny fiainan’
ireo Zokiolona, na Sojabe manerana ny faritra maro eto Madagasikara i Nadine Ramaroson, minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Ny faran’ny herinandro teo ary no notokanan’i Nadine Ramaroson niaraka tamin’i Julie Razafimanjato, minisitry ny fanabeazana ny trano fialam-boly natokana ho an’ireo Sojabe any Mandritsara. Vola mitentina hatrany amin’ny 40 tapitrisa ariary no nanamboarana ity tranon’i Zokiolona ity, ary tao anatin’ny 40 andro no fe-potoana nanamboarana azy. Nambaran’ny minisitry ny fanabezana nandritra ny lahateny izay nataony, fa na dia mbola tsy teo amin’ny toerana naha-minisitra azy aza i Nadine Ramaroson, dia efa nanampy ny sarambabem-bahoaka, ary mbola mitohy izany hatramin’izao. Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fananana trano manokana, natokana ho an’ireo Zokiolona mba hilàny voly.

Ankoatr’izay, dia nambarany fa anisan’ny faritra azo lazaina fa ahitana ireo zavatra ilaina vokatry ny fambolena sy fiompiana ao Mandritsara, ny olana any izay hitovizany amin’ny faritra rehetra, dia ny faharatsian’ny làlana mba hamoahana ireo vokatry ny tany. Olana ihany koa ny fahazoana rano fisotro madio. Manoloana izany dia nilaza i Nadine Ramaroson, fa tsy hijery ny fahorian’ny mponina izy, fa tsy maintsy mahita vahaolana mikasika ny famatsiana rano fisotro madio.

Fanomezana mari-boninahitra

Nandritra ny fitsidihana nataon’
ny Minisitry ny mponina tany Mandritsara, dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra ireo izay nahavita be teo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatra ny mpiasa eny anivon’ny orinasa, dia nisy ny fanomezana mari-boninahitra ho an’ny vehivavy mpikarakara tokantrano, izay nosalorana ny « officier de l’ordre national »

Ankoatr’izay, dia 8 ireo notolorana ny mari-boninahitra « chevalier de l’ordre national » araka ny didim-pitondrana laharana faha-2009-981 tamin’ny 21 Jolay 2009 no nahafahan’ny minisiteran’ny mponina nanome ireo laharam-bonianhitra ireo.

Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés