Io no nisongadina nandritra ny fivoriana an-tampony faha-85-n’ny Vondron’ny Firenena miteny sy mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Oif), izay notanterahina tany Paris, ny alakamisy 28 jona lasa teo, ny toe-draha- raha politika eto Madagasikara, ny any Mali sy ny any Guinée Bissau. Ny Sekretera jeneralin’ny Oif, Abdou Diouf, no nitarika io fihaonana an-tampony io ary natrehan’ny solontenan’ny Filoham-panjakana sy Governemanta avy amin’ireo Firenena mpikambana. Mikasika an’i Madagasikara manokana, indrindra fa taorian’ny fandalovan’ny solontenan’ity vondrona ity teto amintsika tamin’ny volana avrily sy mey lasa teo, dia noarahabain’ny Oif manokana ny famoahan’ny Cenit ny tetiandrom-pifidianana amin’ny ampahany. Na izany aza anefa dia niantso ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Vondrona iraisam-pirenena mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara amin’ny famahana ny krizy ny Oif.
Tiana Rakoto