Webradio

FOKO 18 MITAMBATRA NY MALAGASY : Fiaviana samihafa fa tanindrazana iray

26 mars 2010

Iray ny Malagasy na dia mizara ho foko sy fiaviana maromaro aza. Tsy tokony hametrahana olana mihitsy na iza na iza manao asa fampandrosoana manerana ny faritra eto Madagasikara.

Misy mivoy ombieny ombieny eto Mahajanga mantsy ny teny hoe : “ireo vahiny ireo no manjakazaka sy manao ny asa rehetra eto”. Amin’ny fo sy saina tsy miangatra dia toa miendrika fanavakavahana ara-poko izay mety ho fandrangitana ady izany teny izany. Matetika tokoa aloha amin’
ireo hetsika maro miendrika fampandrosoana, dia tsy ireo teratany eto mihitsy no manetsika fa ny olona mpila ravinahitra. Izay mihevitra ny hahatsara sy hampandroso ity faritra ity, kanefa dia misy sahy milaza fa hevi-petsy atao hahazoana vola sy voninahitra izany. Ireo mpanao ny hetsika anefa tsy misalasala fa mihevitra ny eto ho tanindrazany amin’ny maha-Malagasy azy.

Rehefa tafita tokoa ny tanjona sy izay kinasa dia iza no mahazo laza, moa tsy ny faritra ve sa ilay mpivahiny izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fikarakarana rehetra  ? Ampahibemaso fa tsy ankiafinafina no anaovan’ireo mpanavakavaka izany teny izany. Ny tsy tsapan’ireo mpampiely izany resaka izany dia manafintohina olona maro izy io. Eny fa hatramin’ ireo voalaza fa tera-tany eto aza dia tsy mahalevona izay fomba fiteny izay.
Ny fomba fiteny dia toko- ny hatao am-pahendrena sy am-panajana tanteraka mba tsy hisian’ny olana. Tsy voafetra hitoetra amin’ny toerana ny olona fa natao hivezivezy, voakasik’izany ny mpiasa sy ireo mpianatra. Misy aza tonga hatrany ivelan’i Madagasikara akory aza. Midika izany fa mifameno ny fahalalana mba hahazoana tombontsoa na iraisana io na ho an’ny tsirairay.

Fetimirindra Tafara

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés