Mihazakazaka izaitsizy ny fifamoriana etsy sy eroa ho an’ireo antoko politika. Vao mainka nanampy izany ny nahenoana ireo fanambarana nataon’ireo lohandohany mpitantana antoko politika nilaza ny fahavononany fa hilatsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao. Azo ambara fa nihazakazaka tokoa io hetsiky ny mpanao politika io tato ho ato. Misy mihitsy aza ireo olo-malaza amin’izany no tsy hita taty an-toerana efa ho herinandro vitsivitsy izao. Raha ny fantatra mahakasika azy ireny dia lasa namonjy fivoriam-ben’ny antokony any Antananarivo ireo mpanao politika nandinika manokana ny ho fizotry ny raharaham-pirenena indrindra manoloana ny fifidianana ho avy.
Saika ireo mpiandry raharaha fotsiny kosa sisa no tazana mifanerasera amin’ny vahoaka aty an-toerana ho an’ireo olom-boatendry tahaka ny mpikambana eny amin’ny Parlemantan’ny tetezamita.
Hariliva R.